TOEKARENA SY FITONIANA ARA-POLITIKA

Description du poste de blog.

5/31/20241 min read

MBA FANTATRAO :

Raha ny tarehimarika nomen’ny banky iraisampirenena, latsaky ny 45% ny farim-piainan’ny Malagasy raha oharina tamin’ny taona 1960.

Avy hatrany dia hitady izay tompon’andraikitra isika ary hanome tsiny. Izay ilay fomba tianay ovaina. Aza adino fa Repoblika 4 no nandalo, Filohampirenena sy Filoham-panjakana valo, olomboafidy sy olom-boatendry aman’alina no nitantana, ary vahoaka nifidy sy nitolona ihany koa. Andao lazaina hoe lalam-piainan'ny firenentsika izany. Akana lesona ary hanatsarana ny lesoka mbola misy. Tsy fotoana intsony izao handaniana fotoana amin’ny ady lahy politika.

Tsy ao anatin’ny 5 taona na 10 taona no hanarina ny 50 taona isika. Raha manondidina ny 5% eo ny taux de croissance isan-taona dia afaka 10 taona vao hihena any amin’ny 50% ny tahan’ny fahantrana raha 75% izany ankehitriny. Fa raha 7% isan-taona kosa, ao anatin’ny 15 taona dia ho tratrantsika ny farim-piainan’ny Rwanda tamin’ny taona 2019 izay firenena anisany mandrosoa aty afrika. Marihina fa ny taona 2001 no farany latsaky ny 70% ny tahan'ny fahantrana

Koa tena hilaina ny stabilité politique mba afahana mampitombo ny arikarena faobe (PIB). Miankina amin’ny fahombiazan’ny politika ampiarina ny fiantraikany amin’ny vahoaka avy eo.