Aoka tsy ho diso fijery: lesona avy amin’ny lasa sy fanamby ho an’ny ho avy!
Fampianarana avy amin’ny lasa sy fijery vaovao ho an’ny ampitso.
Raha niverina tamin’ny sehatra politika ny Amiraly Didier Ratsiraka tamin’ny 1996 dia nekeny fa nisy lesoka tamin’ny fitantanany ny Repoblika Faharoa, saingy nilaza izy fa ny hetahetan’ny vahoaka no narahiny, taorian’ireo hetsi-bahoaka lehibe tamin’ny 1972.
Nandritra ny fitondrany dia nitondra politika sosialista izy, saingy tsy nahitam-bokatra nahomby izany. Nitarika ny fitotongan’ny toekarena sy ny fahantrana lalina ny firenena izany ka nanery azy hiroso amin’ny toekarena liberaly.
Lesona ho an’ny firenena: Aza miroso amin’ny fanovana tsy voahevitra tsara!
Ny tantara dia mampiseho fa mila paikady matotra sy fandinihana lalina ny fanovana. Nanomboka ny taona 1972, raha nisafidy ny hisokatra ho amin’ny fampiasam-bola sy ny tsena iraisam-pirenena ny firenena hafa, dia nisafidy politika mihiboka i Madagasikara, ka nanimba ny toekarena sy nampiditra ny vahoaka lalindalina kokoa tao anaty fahantrana. Marihina anefa fa ireo lazaina fa manam-pahaizana no tena nivohy io fidirana amin’ny rafitra sosialista izay nanimba ny firenena io.
Ny tsy fisian’ny paikady voarindra hanatsarana ny famokarana sy ny fampiasana ny harena eo an-toerana dia nanakana ny fandrosoana, ka nahatonga ny fihenan’ny fari-piainan’ny Malagasy ka lasa anisan’ireo firenena nahantra indrindra eran-tany isika ny faran’ny taona 80. Rahe 40% ny tahan’ny fahantrana ny taona 1980 lasa 70% izany ny taona 1990.
Lalana tokony hizorana ho amin’ny fampivoarana maharitra :
Fanavaozana ny fambolena: Famokarana ara-toekarena mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka sy ny tsena.
Fampandrosoana ny kapitaly olombelona: Fanabeazana sy fampiofanana manara-penitra.
Fanamafisana ny harinkarena: Fisorohana ny fiankinana tokana amin’ny sehatra iray.
Fitantanana mangarahara: Lalàna sy fepetra hanomezana fitokisana ny vahoaka sy ny mpampiasa vola.
Ny vahoaka Malagasy dia mahari-pery sy mahazaka fisedrana. Manana adidy kosa ny mpitondra hanao izay tratrany mba hampandroso ny firenena ka ny fiharetan’ny vahoaka dia mba tsy very maina fotsiny. Tsy vahaolana noho izany ny korontana ara-politika fa izany no nahatonga antsika tara tahaka izao satria nandritran’ny taona maro isika dia lany andro nandrodana sy nanangana.
À propos
Cercle de réflexion et organisation citoyenne
Contact : + 261 34 73 807 06
© 2024. All rights reserved.