Fitarihana sy fampandrosoana

Aoka isika tsy hatahotra ny hanonofy, satria amin'ny alalan’ny nofintsika no hanefena ny ho avy.

Ny Kianja Barea, ny làlam-pirenena rn 44 sy rn13, rn 5 A, ny fizarana jiro mandeha amin’ny masoandro ho an'ny tokantrano marefo, ny tetik’asa famokarana herinaratra 50 megawatt amin'ny alalan’ny toby mandeha amin’ny masoandro, ny fiara tariby .

Ireo tetikasa lehibe rehetra ireo dia vokatry ny vina ny Filohan'ny Repoblika, ary manintona hoavy feno fanantenana ho an'ny firenentsika. Ny fandraisany anjara mavitrika tamin'ny famolavolana ireo tetikasa ireo dia nanosika ny fanatanterahana azy ireo.

Etsy ankilany miteraka fanontaniana ny fitarazohana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa sasany ataon'ny minisitera voakasika amin’izany. Manoloana ireo sakana isan-tsokajina dia ilaina ny manana tompon’andraikitra teny resy lahatra amin’ny vina entin’ny Filoham-pirenena. Olona afaka miasa ao anatin'ny tontolo sarotra voamariky ny famerana ny tetibola, sady mahafantatra ny fomba hifampiraharahana amin'ireo mpamatsy vola sy hanatsara ny loharanon-karena anatiny hanatanterahana ireo tetikasa goavana.

Tsapa fa mitombo ny tsy faharetana eo amin'ny mponina. Miandrandra vahaolana amin’ny fahasahiranana mahazo azy ny vahoaka, mitaky zava-bita azo tsapain-tanana sy hanome fahafaham-po ny filany fototra. Laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fambolena, ilaina ny mametraka politika mazava momba ny asa, miaraka amin'ny paikady indostrialy azo refesina. Zava-dehibe ny fanofanana arak'asa mba hafahan’ny tanora hahaleo tena, na amin'ny famoronana asa ho an’ny tenany, na amin’ny fitadiavana asa amin'ny sehatra izay ahitana firoboroboana toy ny fizahantany, ny teknolojia vaovao, ny sehatry ny varotra isan-tsokajiny

Ny fampandrosoana dia dingana maharitra, ary ilaina ny faharetena. Mila mifampatoky ny vahoaka sy ny mpitondra ka tsy hisy ho tavela amin'ny lalana mankany amin'ny fandrosoana. Tokony miara-manangana Madagasikara miroborobo isika, izay ahitan'ny tsirairay ny toerany ary afaka mandray anjara amin'ny ho avy tsaratsara kokoa.

Aoka isika tsy hatahotra ny hanonofy, satria amin'ny alalan’ny nofintsika no hanefena ny ho avy.

man holding incandescent bulb
man holding incandescent bulb
woman placing sticky notes on wall
woman placing sticky notes on wall