Jeunes Patriotes Républicains Malagasy

Rejoignez notre cercle de réflexion et d'action.

NY VINANTSIKA

Isika, taranaka ankehitriny, no feo sy fo mitempo ho an'ny firenentsika. Mahita sy miaina ny zava-tsarotra ary ny fanantenana iainan'i firenentsika. Antsoina isika handray anjara lehibe amin'ny fanoratana ny tantaran'ny androntsika.

Miaina ny fanamby andavanandro isika, ireo tebiteby sy tahotra aterik’izany, saingy isika ihany koa no mpandrafitra ny hoavy. Ny feontsika sy ny safidintsika dia manan-danja amin'ny demaokrasia, na dia misy aza amintsika izay tsy miraharaha firy intsony ny politika. Fotoana izao hamelomana indray ny afon'ny fandraisana andraikitra, satria ny hoavintsika dia mifamatotra amin'ny an'i Madagasikara.

Ny kolontsain'ny fandriampahalemana, ny fandraisana anjara amin'ny fiarahamonina ary ny demaokrasia dia tsy teny filamatra fotsiny, fa andry iorenantsika hanorina ny hoavy. Aoka tsy ho avela ny fahasamihafana ho lasa fitaovana hampiely ny fisaratsarahana. Ny fahalalahana miteny dia zoantsika tokoa, saingy tokony ampiasaina amin'ny andraikitra hanorenana, fa tsy sanatria handravana.

Matoky izahay fa ny taranantsika, na inona na inona firehana politika, dia afaka mandray anjara amin'ny fanamafisana ny fitoniana izay hitondra fandriampahalemana maharitra sy fitomboana ara-toekarena ho antsika. Fotoana izao hanapahana ny rojon'ny fikorontanana sy ny fiverenana izay nanakana ny fandrosoan'ny firenentsika.

Samy manana anjara andraikitra isika tsirairay, na dia ao amin'ny fokontany aza. Ny fitambaran’ny hetsika fandraisana andraikitra na faran’izay madinika amin'ny maha-olom-pirenena dia mitarika fehezam-potoana sy firindrana izay fototry ny fiarahamonina miroborobo. Ny hetsika lehibe sy mirona amin’ny tombontsoa iombonana dia hanana fiantraikany lehibe kokoa.

Ny fandrosoana dia tsy midika hoe fanadinoana ny maha-izy antsika. Ny soatoavina nentim-paharazana toy ny fihavanana sy ny firaisankina no fototra iorenantsika hanorina hoavy maoderina sy miroborobo. Ny firaisankina, ny fifanampiana ary ny fifanajana dia harena sarobidy iatrehana ireo olana misy, sy hananganana hoavy mahomby.

Ireo soatoavina ireo hitarika ny diantsika mankany amin'ny fandrosoana izay manaja ny tontolo iainantsika sy ny maha-izy antsika. Andeha isika hanova an'i Madagasikara ho ohatra amin'ny fampandrosoana izay mampifandray ny zava-baovao sy ny nentin-drazana, ho an'ny hoavy izay ahafahan'ny Malagasy tsirairay mahita ny anjara masoandrony.

Andao isika ho mpandray anjara amin'ny fampandrosoana. Ho an'i Madagasikara, ho an'ny taranatsika, ho an'ny zanatsika.

Miaraka amin'ny fanantenana sy fahavononana.

NOTRE VISION

Nous sommes la génération du changement.

Nés dans les années 80, 90 et 2000, nous avons grandi avec les défis et les espoirs de Madagascar. Aujourd’hui, c’est à nous d’écrire l’avenir de notre pays.

Nous connaissons les difficultés du quotidien, l’incertitude, mais aussi la force de l’espoir. Nos voix et nos votes comptent. Pourtant, beaucoup d’entre nous se sont éloignés de la politique. Il est temps de raviver notre engagement, car l’avenir de Madagascar dépend aussi de nous.

La paix, la citoyenneté active et la démocratie sont les piliers d’un pays solide. Le pluralisme ne doit pas devenir un outil de division. Oui, la liberté d’expression est essentielle — mais elle doit servir à construire, pas à détruire.

Peu importe nos convictions politiques, notre génération peut bâtir la stabilité, la paix durable et la croissance dont nous avons besoin. Il est temps de sortir du cycle de stagnation.

Chacun peut agir, même à son niveau, dans son quartier, son fokontany. Les petits gestes comptent. Et les grandes actions peuvent transformer des vies.

Le progrès ne doit pas effacer notre identité. Nos valeurs de fihavanana et firaisankina sont des richesses. Elles ont permis à nos ancêtres de réaliser de grandes choses, et elles peuvent encore nous inspirer.

Dans un monde qui cherche plus de sens et de durabilité, nos valeurs malgaches sont une boussole. Elles nous rappellent que l’unité, la solidarité et le respect mutuel sont des forces pour relever les grands défis, comme le changement climatique.

Suivons ce chemin : un développement qui respecte notre environnement et notre culture. Ensemble, faisons de Madagascar un exemple d’avenir où tradition et innovation avancent main dans la main.

Engageons-nous. Pour Madagascar, pour notre génération, pour nos enfants.

Avec espoir et détermination.

Découvrez notre opinion sur l'actualité

Explorez les éditos de notre page web et plongez dans nos articles de blog captivants avec un simple clic.

Présentation sommaire des JPRM

Nous sommes unis dans notre quête pour le développement de Madagascar. Chaque initiative, si modeste soit-elle, est un pas vers le progrès. Nous diffusons nos idées, éclairons les débats lors de conférences, sur les réseaux sociaux  et dans la presse. Notre but ? Sensibiliser chaque citoyen à l’importance de son rôle. Ensemble, nous découvrons des solutions innovantes pour les défis de notre île. Notre détermination pour Madagascar se traduit par des actions concrètes et une volonté ferme de porter notre message. Votre participation est essentielle, votre engagement, notre inspiration. Unissons-nous pour un Madagascar florissant.

Sur le changement, nous empruntons cette citation de Barack Obama "Le changement ne viendra pas si nous attendions une outre personne ou un autre moment. Nous sommes ceux que nous attendions. Nous sommes le changement que nous recherchons."

Contactez-nous

Penser et agir pour le développement de Madagascar.