Naoty mikasika ny toekarena
7/20/20243 min read


Nahoana no hoe mahantra isika Malagasy.
Mila manana 2,15 dôlara isanandro eo ny olona iray farafahakeliny vao azo lazaina ho tsy mahantra raha araky ny maridrefy iraisam-pirenena. Lazaina fa mahantra ny malagasy noho izany satria, raha amin’ny ankapobeny, eo amin’ny 516 dôlara eo no miditra amin’ny tsirairay ao anatin’ny taona. Mazava ho azy noho izany fa mila hatsaraina io fidirambola io raha tiana handroso ny Malagasy. Fidiram-bola izay miantoka ny fivelomana sy mamaritra ny farim-piainan’ny isam-pianakaviana.
Etsy andaniny, ilaina ihany koa ny famokaran-karena mba ahafahana miantoka ireo asa fampandrosoana sy hanomezana ireo karazana tolo-draharaha samihafa ho an’ny vahoaka tahaka ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fandriampahalemana.


Ny firafitry ny toekarena Malagasy :
Isan’ny mahantonga ny fahantran’ny Malagasy ny firafitry ny toekarena. Firafitra izay tsy nahitana fiovana firy na dia hatramin’ny fanjanahantany aza. Manodidina ny 80 % ny Malagasy no misehatra eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana. Eo amin’ny 20 %-n’ny harinkarena faobe eo no anjara entin’io sehatra io, eny fa na dia mampiasa ny ampahany betsaka amin’ny mponina aza izany sehatr’asa izany.
Fanampin’izany dia mbola manify dia manify ihany koa ny tombondaha entin’io sehatra io amin’ny fihabon-karena, hany ka zary tsy miantraika loatra amin’ny fidirambolan’ireo tantsaha izany fitomboam-pihariana izany. Antony iray isan’ny manazava ny vesatry ny fahantrana any ambanivohitra io fipetra-draharaha io satria dia mahatratra hatrany amin’ny 80 % ny mponina any ambanivohitra no miaina ambany ziogan’ny fahantrana. Fomba iray ahafahana manatsara ny farimpiainan’ny Malagasy maro an’isa noho izany ny fampivoarana ny famokarana eny ambanivohitra.
Raha mitombo 5% isan-taona tokoa mantsy ny sehatry ny fambolena, dia hitarika fihabonkarena faobe hatrany amin’ny 2% izany.
Etsy ankilany anefa, ireo sehatra izay mitondra vaika kokoa ho an’ny toekarena dia tsy afaka mampihabo avy hatrany ny farimpiainan’ny Malagasy amin’ny ankapobeny. Antony dia satria mbola vitsy an’isa kokoa ireo mihary amin’ireo sehatra ireo tahaka ny fanondranana harena an-kibon’ny tany, ny banky, ny fifandraisan-davitra ary ny fotodrafitr’asa sy ny asa vaventy.
Ny kalitaon’ny fisondrotry ny toekarena Malagasy.
Nahitana fiovaovana mihabo hatrany ny harinkarena faobe teto Madagasikara amin’ny ankapobeny. Tsikaritra anefa fa nampandringa izany fihaboana izany hatrany ny krizy pôlitika sy ny krizy noho ny loza voajanahary. Ohatra amin’izany ny fitombon-karena teo anelanelan’ny taona 1960-1972 izay rava noho ny krizy pôlitika. Tahaka izany ihany koa ny tamin’ny 1985-1991, ny teo anelanelan’ny 1996-2001 sy 2003-2009. Teo ihany koa ny krizy ara-pahasalamana tamin’ny 2020 izay nampitotongana ny toekarena hatrany amin’ny 7%.
Ny tsoankevitra isan’ny goavana afaka sintonina avy amin’ireo zavanisy ireo dia ny hoe antoka ho amin’ny fampandrosoana ny filaminana misy ankehitriny. Na heverina fa ho 4 % aza ny tahan’ny fitombon’ny harinkarena faobe, dia afaka hampihena ho 50% ny tahan’ny fahantrana izany afaka 15 taona raha toa ka 75% eo izany ankehitriny. Kinendry izay azo atao tsara raha mazava ny laharam-pahamehana.
Raha mijery ny fafana etsy ambany isika dia mahatsikaritra fa manify ny anjara fanatevenana ny harinkarena entin’ny antom-pamokarana maharitra. Toa izay ihany ko ny mahakasika ny kalitao sy fahaizamanaon’ny mpiasa Malagasy. Mila hampitomboina noho izany ny famatsiambola amin’ny fananganana antom-pamokarana maharitra toy ny fotodrafitr’asa, ny fahasalamana sy ny fanabeazana. Ny fivoaran’ny fahaizamanaon’ny mpamboly izao ohatra dia hitondra fihatsaran’ny famokarana. Ny fampiofanana ihany koa dia hampivoatra ny fomba famokarana ka hampiroborobo ireo fampiasambola vahiny na avy eto an-toerana.






À propos
Cercle de réflexion et organisation citoyenne
Contact : + 261 34 73 807 06
© 2024. All rights reserved.