NY VINANTSIKA
Isika, taranaka ankehitriny, no feo sy fo mitempo ho an'ny firenentsika. Mahita sy miaina ny zava-tsarotra ary ny fanantenana iainan'i firenentsika. Antsoina isika handray anjara lehibe amin'ny fanoratana ny tantaran'ny androntsika.
Miaina ny fanamby andavanandro isika, ireo tebiteby sy tahotra aterik’izany, saingy isika ihany koa no mpandrafitra ny hoavy. Ny feontsika sy ny safidintsika dia manan-danja amin'ny demokrasia, na dia misy aza amintsika izay tsy miraharaha firy intsony ny politika. Fotoana izao ahatsapana ny maha zava-dehibe ny fandraisana andraikitra, satria ny hoavintsika dia mifamatotra amin'ny hoavin'ny Madagasikara. Ny fahalalahana miteny dia zoantsika tokoa, saingy tokony ampiasaina amin'ny andraikitra hanorenana, fa tsy sanatria handravana.
Matoky izahay fa isika izao, na inona na inona firehana politika, ny finoana, dia afaka mandray anjara amin'ny fanamafisana ny fitoniana ara-politika izay anisany miantoka ny fitomboana ara-toekarena. Fotoana izao hanapahana ny rojon'ny fikorontanana sy ny fiverenana izay nanakana ny fandrosoan'ny firenentsika.
Samy manana anjara andraikitra isika tsirairay, na dia ao amin'ny fokontany aza. Ny fitambaran’ny hetsika fandraisana andraikitra na faran’izay madinika amin'ny maha-olom-pirenena dia mitarika fehezam-potoana sy firindrana izay fototry ny fiarahamonina miroborobo. Ny hetsika lehibe sy mirona amin’ny tombontsoa iombonana dia hanana fiantraikany lehibe kokoa.
Ny fandrosoana dia tsy midika hoe fanadinoana ny maha-izy antsika. Ny soatoavina nentim-paharazana toy ny fihavanana sy ny firaisankina no fototra iorenantsika hanorina hoavy maoderina sy miroborobo. Ny firaisankina, ny fifanampiana ary ny fifanajana dia harena sarobidy iatrehana ireo olana misy, sy hananganana hoavy mahomby.
Ireo soatoavina ireo hitarika ny diantsika mankany amin'ny fandrosoana izay manaja ny tontolo iainantsika sy ny maha-izy antsika. Andeha isika hanova an'i Madagasikara ho ohatra amin'ny fampandrosoana izay mampifandray ny zava-baovao sy ny nentin-drazana, ho an'ny hoavy izay ahafahan'ny Malagasy tsirairay mahita ny anjara masoandrony.
Andao isika ho mpandray anjara amin'ny fampandrosoana. Ho an'i Madagasikara, ho an'ny taranatsika, ho an'ny zanatsika.
Miaraka amin'ny fanantenana sy fahavononana.